Ravitoto
[00:16.83] Indray hariva nifoka sigara teo an-tokotany
[00:20.11] Nanontany tena, mba ho lasa inona indray androany
[00:24.36] Nidobodoboka henoko tsara ny tany am-poko tany
[00:28.07] Hoe inona no tena ilàvana ahy eto an-tany
[00:32.30] Inona no tian'i dada ?Inona no tian'i mama ?
[00:36.58] Inona ilay asa mahavelona tsara sy mendrika hikaramana ?
[00:40.29] Inona no tian'i ramose ?Inona no tian'i madama ?
[00:44.54] Aiza no hiafaran'ny lesona averina any am-pianarana any ?
[00:47.99] Hanao izay hahafaly an'iry, mba tsy ho afa-baraka amin'ny atsy
[00:52.50] Izay no mibaiko ny safidiko mazana na ho tsara na ho ratsy
[00:56.24] Dia mila mibôsy an'ity, fa sao dia tsy tafa hono mantsy
[01:00.23] Dia ilay nofinofy matahotra ho faty satria efa nambanako ny antsy
[01:04.24] Dia nataoko ary izay tian'ny olona na tsy sitrapoko aza
[01:09.02] Miandry doka amin'ny fiaraha-monina hoe
[01:11.16] hendry kosa ilay zaza (Non non)
[01:14.87] Nataoko ary izay tian'ny olona
[01:18.59] Na tsy sitrapoko aza
[01:20.97] Te ho lakana ity hazo
[01:24.96] Mba tondrahy izaho fa malazo
[01:28.95] Kanefa tsy ho lakana aby ny hazo
[01:33.19] Ravitoto mangahazo,
[01:36.92] Te ho lakana ity hazo
[01:41.17] Mba tondrahy zah fa malazo
[01:44.89] Kanefa tsy ho ho lakana aby ny hazo
[01:48.90] Ravitoto ôô
[01:53.15] Andana l'ty manao dokotera
[02:03.25] - Hmmm, kelikely ny tokon'aina
[02:05.37] Poinsa koa manao pilote
[02:07.27] - Te hanidina ihany aho fa any an-tsaina
[02:09.40] Pôlitika hitantana firenena
[02:11.53] - Aleoko mijanona ho hambakaina
[02:13.38] Ny hiafarany sociologue
[02:15.51] - Tiako ihany fa nampiferin'aina
[02:17.09] Niteny aho fa tsisy nihaino hoe izaho mba te ho... "Inona a?"
[02:20.83] Rehefa nisy nihaino indray dia tsisy nino hoe
[02:22.94] Izany mba hahazo ohatr'inona?
[02:24.81] Raha natokisana hatramin'ny voalohany aho
[02:26.64] Tsy nampatahotra ahy ny any aoriana
[02:28.79] Tsy voabaikona zavatra fohana aho
[02:30.65] Fa ny nofinofiko aza ampangninina
[02:32.56] Lasitra tonta efa hatramin'izay
[02:34.15] No hamadibadihany ny hoavinao.
[02:36.27] Hatramin'izay izy no efa mofogasy
[02:38.40] Mbola mofogasy ihany hatramin'izao.
[02:40.26] Izaho tsy miteny hoe io mofo ratsy
[02:42.41] Fa mba te hihinan-javatra vaovao.
[02:44.54] Tsy hanatanteraka nofy ratsy
[02:46.40] Fa hanao mozika izao dia izao.
[02:48.26] De ho atao ve izay tian'ny olona
[02:50.94] Na tsy sitrapoko aza ?
[02:53.04] Himonomonona ny fiaraha-monina
[02:54.92] Hoe mafy loha izany raha zaza.
[02:56.77] Non non.
[02:58.90] Ho atao ve izay tian'ny olona
[03:01.04] Na tsy sitrapoko aza ?
[03:13.26] Novelomiko ny ordi
[03:14.59] Nataokotaoko ary ny insta
[03:16.73] Nampiakampiakariko ny inspi
[03:18.59] F'efa ohatry ny adala manenjika aho
[03:20.72] Impiry aho no bedin'i dada sy neny
[03:22.85] Ny lesonao mba hianaro kely
[03:24.73] Aleoko nandrafitra fehezan-teny
[03:26.84] Itoeran'ny fanahy malahelo
[03:28.98] Dia nadoboko mba hampitresaka
[03:30.84] Izay sakana rehetra nipetraka
[03:32.95] Nasiako dia io fa niteraka
[03:34.83] Asa soratra bobaka betsaka
[03:36.95] Nahazoako daka... felaka
[03:38.81] Niandry an'i Paoly aho raha niandry mpitehaka
[03:40.68] Aza gadraina ao amin'ny rindrina efatra
[03:42.54] Fa omeo elatra, hivelatra.
[04:01.14] Dia nataoko ary dia tian'ny olona
[04:18.95] F'izay no sitra-poko a
[04:21.08] Gaga eo ny fiaraha-monina
[04:22.93] Hoe lasa ihany ilay zaza
[04:24.80] Ouais ouais
[04:26.91] Nataoko ary dia tian'ny olona
[04:30.10] Fa izay no sitrapoko a
[04:33.02] Te ho lakana ity hazo
[04:37.01] Mba tondrahy zah fa malazo
[04:41.00] Kanefa tsy ho ho lakana aby ny hazo
[04:44.98] Ravitoto ôô
