Lrc Player

Rotoroto

Reko Band
[04:17.98]·
This lyric sheet isn't paired with a song yet, so lines are shown but won't sync or seek.

[00:17.37] Izay rehetra miaina, miaina eto an-tany

[00:21.87] Samy mahalala any anatiny any

[00:26.38] Fa mandalo ihany.

[00:35.68] Izay rehetra hita, azo henoina sy tsapaina

[00:39.94] Samy misy fiandohana, misy fiafarana,

[00:44.19] Fa sambatra izay mahay miaina tsara ny fandalovany.

[00:53.75] Oh ry foko moramora ihany

[00:58.27] Amin’ity rotoroto tsisy fiararany.

[01:02.51] Mba hiadanao rahampitso

[01:04.90] Dia ataonao sorona ny androany,

[01:07.55] Nefa anie ny androany ampitson’ny omaly.

[01:11.29] Oh ry foko! Oh ry foko!

[01:14.46] Rahoviana izany ianao vao hiaina?

[01:22.17] Ny fiainanao omaly

[01:23.51] Rano raraka

[01:25.90] Ny fiainanao androany

[01:28.01] Manenji-drivotra

[01:30.14] Ny fiainanao rahampitso

[01:32.80] Tsy misy antoka

[01:34.92] Raha tsy hay ny antony isiana.

[01:39.17] Oh ry foko moramora ihany

[01:43.95] Amin’ity rotoroto tsisy fiararany.

[01:47.95] Mba hiadanao rahampitso

[01:50.34] Dia ataonao sorona ny androany,

[01:52.98] Nefa anie ny androany, ampitson’ny omaly.

[01:57.26] Oh ry foko! Oh ry foko!

[02:00.17] Rahoviana izany ianao vao hiaina?

[02:07.86] Izao ve ilay tianao?

[02:15.85] Raha jerenao ny fiainanao, sambatra ve ianao?

[02:25.40] Sao dia miazakazaka ivelan’ny kianja ianao?

[02:29.37] Any amin’izay tsy mivonto no manaintaina aminao?

[02:33.65] Oh ry foko! Oh ry foko!

[02:36.31] Ilay loharano tsara mila fantatrao.

[02:48.50] Oh ry foko moramora ihany

[02:52.77] Amin’ity rotoroto tsisy fiararany.

[02:56.75] Mba hiadanao rahampitso

[02:58.87] Dia ataonao sorona ny androany,

[03:01.79] Nefa anie ny androany, ampitson’ny omaly.

[03:05.78] Oh ry foko! Oh ry foko moramora ihany!

[03:10.82] Amin’ity rotoroto tsisy fiararany.

[03:15.07] Mba hiadanao rahampitso

[03:17.20] Dia ataonao sorona ny androany,

[03:20.11] Nefa anie ny androany, ampitson’ny omaly.

[03:24.65] Oh ry foko! Oh ry foko!

[03:27.04] Rahoviana izany ianao vao hiaina?